Tsy maintsy ho an-tranon’ny Raiko aho
Fa efa lasa tanteraka any ho aho ny saiko
Fa aloky ny ho avy ny ety an-tany
Fa ny tena izy dia efa miandry antsika
Any an-danitra any
Izy tsy amidy fa omena
Mamaim-paona ny famonjena e! e! e!
Tsy ho lavo tsy tafitoana ianao
Handeha ho any am-parany any
Zay mijoro ihany noh antsoiny e!
Handeha ho any an-danitra a!
Tano sabatra roa lela
Tano mafy fa aza avela
Mbola maro no antsoina ho ao am-bala
Mahalala nefa misalasala
Tsy hatory tsy ho rendremana ianao
Hiambina ny tanana
Ho feno fandriam-pahalemana ianao
Hitondra ny fahazavana
Ho sakaizan’ny Tompo, ny finoana fihino
Tano ny sabatra roa lela
Tano mafy fa aza avela